<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>700</hymn_number>
<title>Ao ny andro lehibe FFPM700</title>
<lyrics>[V1]
 Ao ny andro lehibe
 Misy fifaliam-be,
 Dia ny andro hahatongavana
 Amin'ny fonenana
 Feno fiadanana.
 Tsy mba misy ota na heloka,
 Eny, tena andro malaza tokoa
 izay.
 Jeso Ilay nandresy ny fasana,
 Izy no hitantana
 Ao am-pahafatesana,
 Ka ho mora ny handehanana.

[V2]
 Ao ny andro lehibe
 Misy fifaliam-be,
 Izay hihaonana any an-danitra,
 Afa-pahoriana,
 Afa-pijaliana,
 Sambatra tokoa sy tretrika.
 Enga ka ho ao avokoa isika
 izao
 Ka tsy hisy very na dia iray !
 Tava miramirana,
 Endrika mamiratra
 No hananantsika mandrakizay.

[V3]
 Ao ny andro lehibe
 Misy fifaliam-be,
 Hahitana an'Andriamanitra
 Sy Jesosy Zanany
 Mbamin'ny Fanahiny.
 Hoby no hameno ny lanitra.
 Serafima sy arkanjely no
 namana
 Mankalaza ilay feno indrafo.
 Ny fitomaniana
 Sy ny fisentoana
 Tapitra, fa afaka ny manjo.</lyrics>
</song>